










traduction française
Madagasikara, nosy iray eto anivon'ny Oseana Indiana ary tetezin'ny Tropikan'ny Capricorne, dia lapan'ny zavaboajanahary samihafa ho an'ny mpikaroka. Ponina maro karazana, toetrandro manokana ary karazam-bala tokana eto an-tany no mifamaofao ao aminy, ary izany dia mivalapatra eo amin'ny tany mirefy 600 000 kilometatra tora-droa. Eo ny toetrandro antonontoniny, na koa maina kina toy ny any Sahely ao Afrika. Izany rehetra izany dia mivelatra amin'ny tany lemaka samihafa sy tendrombohitra mirefy hatramin'ny 2886 metatra ny ahavony.
Ny fianakaviamben'ny mpikaroka malagasy sy ny CIRAD dia manana tantara iombonana naharitra hefa ho maherin'ny dimam-polo taona lasa izay. Noho izany tantara iombonana naharitra izany dia nanampankevitra ry zareo fa hampiaram-peo tsy hitokamonina intsony fa hiara-miasa eo amin'ny lafiny fikarohana. Ny rafitra hiasana dia eo anivon'ireto sehatr'asa manaraka ireto :" Fikarohana iombonana" (URP), Ala sy karazam-boajanahary (Forêts et Biodiversité) (FB) sy Rafitra sy fomba fambolem-bary maharitra (Systèmes de culture et rizicultures durables) (SCRID), eo koa ny sehatr'asa iombonan'ny oniversite, antsoina hoe(Corus)sy DURAS, misy ny sehatr'asa eropeanina INCO, ary farany dia misy volavolan'asa ho an'ny fampandrosoana miisa telo sy volavolan'asa ho an'ny rafitra nasionaly miisa efatra (Zotra fanondranana entana any ivelany, fananantany, fahasalaman'ny biby ary ady amin'ny valala). Izany rehetra izany dia porofon'ny fiaraha-mikaroka matotra misy eo amin'ny CIRAD sy ny mpiara-miasa aminy eto amin'ity nosy ity.

Ny CIRAD eto Madagasikara dia rantsam-piasana iray misahana mivantana ny eny antsaha, izay fomba iray hita fa mahomby sy mifandraika marina amin'ny zava-misy :

Ny Vondron'ny manampahaizana mpikaroka miara miasa (PCP) dia vondrona mpikaroka sy fitaovana avy any ivelany, mipetraka ao amin'ny toerana ara-tsaritany iray. Miasa amin'ny volavolan-kevitra iombonana izy, izay mamaly ny olana aram-pandrosoana sy ny tanjona ara-tsiantifika avo lenta (Jereo :Tanjona sy fepetra fampandehanana ny PCP/URP ►)
Eo amin'ny lafiny fampandehanan'asa, ny PCP/URP dia manana toetran'asa efatra :
Ny orin'asa mpikambana tsirairay dia mitondra ny olony sy ny fitaovany arak'izay ananany sy araky ny lanja homeny ny drafitr'asa iaraha-miasa. Ny tsirairay dia manana ny maha izy azy eo amin'ny fiaraha-miasa, na eo amin'ny fandaharan'asa, na eo amin'ny fanarahamaso sy fitsarana ny asa. Ny antsoavo fanolon'asa dia hatao miaraka ary ny vokatra dia iombonana. Farany, ny fandaharan'asa miaraka dia lavi-trezaka.
Mba hamoronana ny PCP, ny tompon'andraikitra tsirairay avy, na malagasy na frantsay, ny tobim-pikarohana aram-pambolena : FOFIFA sy CIRAD, ary ny Oniversiten'Antananarivo, dia nanao sonia fifaneken'asa tamin'ny febroary taona 2002. Hatramin'ny ny volana desambra 2002 dia namafisina an-taratasy ny tanjona iombonana, ny fepetra fototra ary ny fomba fiasan'ny PCP. Hatramin'io dia nisy oron'asa hafa nanatevin-daharana ny PCP izay lasa filamatra.
Ankehitriny dia tonga amin'ny fahamatorany ny PCP ary nanamafy ny fiaraha-miasa ho tonga Vondrom-pikarohana iombonana (URP) izay mitarika fitsarana sy fankatoavana ny hatsaran'ny asa avy amin'ny manampahefana siantifika frantsay sy malagasy.

Ny fiantsoana tolotr'asa nataon'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny Frantsay izay mifantoka amin'ny “Fiaraha-miasa aram-pikarohana oniversitera sy siantifika” dia manana tanjona ampihetsika ny oniversite atsimo sy avaratra mba hiara-miasa amin'ny drafitr'asa siantifika hiraisana. Ny Cirad sy ny mpiara-miasa aminy dia namaly izany ary isan'izany ny PCP « Ala sy karazam-boajanahary », izay mamaly indrindra ny filan'ny firenena. Mampiseho izany fa ilaina ny drafitra PCP/URP eo amin'ny hetsika miaraka ara-tsiantifika sy rindra.
DURAS dia drafitr'asa iray maharitra telo taona izay vatsian'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny Frantsay vola. Ny tanjony dia ny hampitombo ny fahaizamanao ara-tsiantifika ary koa hampirisika ny firenena tatsimo, toy ny Afrika, Asia sy « Proche Orient » eo amin'ny fikarohana aram-pambolena ho an'ny fampandrosoana maharitra. Ny volavolan'asa ho an'ny fiantsoana tolotr'asa voalohany, noferana tamin'ny volana oktobra lasa teo ny tolotra, dia misahana ny (a) sivana varietaly mifandraika amin'ny ady atao amin'ny fahantrana sy fizakantena ara-tsakafo ; sy (b) fijerena sy fandraisana ny fahaiza-manaon'ny mponina eo amin'ny fitandroana ny tontolo iainana. Ny URP SCRID, miara-miasa amin'ny VASI – Vietnam dia notsongaina manokana noho ny tolotr'asa mitondra ny lohan-teny hoe : « Fanantsarana varietaly ampian'ny porofon-tsela ary sivana varietaly hiarahamanao ho an'ny vary an-tanety volena amin'ny toerana ambony mba hiadiana amin'ny tsy fahampin-tsakafo "

Nekena ny tolotr'asa nataoan'ny Cirad (URP Ala sy karaza-boajanahary) sy mpiara-miasa aminy (indrindra i Madagasikara, Kenya ary Ouganda), izay natolotra ny eropeanina momba ny « Politika firaha-miasa iraisam-pirenena ara-tsiantifika » (INCO) voafaritra ao amin'ny drafim-pikarohana ara-teknika ho an'ny fampandrosoana (PCRDT) laharana faha enina. Izany dia momba ny fanaovana fikarohana eo amin'ny fanomezan'aina indray ny ala izay tena simba tokoa aty afrika atsinanana sy aty amin'ny nosy rehetra eto amin'ny Oseana Indianina. Simba ny ala noho ny tavy sy ny fitrandrahana mahery vaika atoan'ny mponina, izay mitarika fahasimban'ny nofon-tany. Ny tanjona izany dia ny hitondrana drafitr'asa anakanana ireo vokadratsy ireo, amin'ny alalan'ny fitondrana tetik'asa fanajariana ny ala vaovao sy maharitra.
Volavolan'asam-mpikarohana lehibe roa no notsongaina noho ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fambolena, Fiompiana ary Jono (MEAP) avy amin'ny fanomezam-bolan'asa miaraka nataon'ny governemanta malagasy, ny Famantsiambola frantsay ho an'ny tontolo iainana eran-tany (FFEM) ary ny Foibe Frantsay ho an'ny Fampandroasoana (AFD) :

Ny Cirad dia mampiseho etoana ny fahaiza-manaony amin'ny karoka avo lenta hiarahana izay mipaka amin'ny zava-misy andavan'andro ny firenena iray sy ny fandrosoany
Ny drafitr'asa fanampiana ny rafitra nationaly, izay ataon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Frantsay n any Fikambanana Eropeanina, dia miantso ny manampahaizanan'ny Cirad mba hanohana : ny zotram-barotra fanondranana any ivelany, ny Drafitra fananantany nationaly, ny rafitra fitilina ny aretim-biby mety mianaka, ny Foibe Nationaly ho an'ny Ady amin'ny Valala (CNA). Amin'izany rehetra izany, ny mpiasan'ny «Service de coopération et d'action culturelle » (SCAC) ao amin'ny Ambasady Frantsay dia miara miasa tanteraka ao anatin'ny rafitra malagasy ho an'ny fampandrosoana ny fahaiza-manao eto an-toerana.
Interreg III dia drafitr'asa niainga avy amin'ny Volavolan'asa eropeanina ho an'ny fampandrosoana rezionaly (FEDER) mba ho fiaraha-miasa rezionaly eo anivon'ny fikambanana eoropeanina, izany dia misahan ny taona 2000 hatramin'ny taona 2006. « Ny tanjon'io dingana vaovaon'ny INTERREG io dia ny hanamafisana ny firaisan-kinan'ny Fikambanambe Eropeanina, izay manome vahana ny fiaraha-miasa any ivelan'ny taniny sy ny firenen'ny mpikambana. Nomena jery manokana ireo firenena manakaiky ny fikambanana ary maniry ny ho mpikambana ao anatin'ny Fikambanambe. ."

Ny « Conseil régional de la Réunion » dia nitondra ny anjara birikiny amin'ny fametrahana drafitr'asa miompana amin'ny Fananantany azo antoka sy fanajariana ny tany : ho fanampiana ny Drafitra fananan-tany nationaly, miainga avy amin'ny famoronana gisé miasa amin'ny fananantany any Miadanandriana, ao atsinanan'Antananarivo.
![]() | ![]() | ||
| Cirad - Direction régionale | |||
| Cliquer ici pour contact rapide | |||
| Adresse : | Ampandrianomby - BP 853 Antananarivo - Madagascar | ||
| Téléphone : | +261 20 22 40 623 | ||
| Télécopie : | +261 20 22 40 821 | ||
| Courriel : | dregion@cirad.mg | ||
Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement
© 2009 Cirad | Tous droits réservés
| Informations légales