Présentation
Tanjona sy fepetra fampandehanana ny Vondron'ny manampahaizana mpikaroka miara miasa (PCP)
sy ny Vondrom-pikarohana iombonana (URP)
traduction française

Miompana amin'ireto lohahevitra ireto ny votoanton'ny namoronana ny Vondron'ny manampahaizana mpikaroka miara miasa (PCP) ary avy eo ny Vondrom-pikarohana iombonana (URP) :
Tanjona stratejika
- Mamorona fikambanana mpikaroka mahomby sy fanta-daza, izay niainga avy amin'ny fototra nahazahoana fahalalana sy toe-tsaina nipoirana mba hampivoarana ny fiaraha-miasa
- Mitondra ny anjara biriky siantifika iraisam-pirenena ary miasa ho an'ny tontolo ambanivohitra sy ny olona, avy amin'ny alalan'ny siansa
Tanjona ampiharina
- Manome tontolo azo hivalamparana ho an'ny mpikaroka mba ahazahoany manao fikarohana avo lenta sahady malaza ary eken'ny mpikaroka eran-tany,
- Manolotra fitaovana mitondra fandrosoana sy azo ampiharin'ny olona, fitaovana izay azo avy amin'ny vokam-pikarohana siantifika
- Mandray anjara amin'ny fanofanana ny mpikaroka sy mpianatra tanora, na avy aiza izy na avy aiza, hanao fikarohana
- Manabe sy mampivohitra miaraka ny vokam-pikarohana, ny fomba natao, ny fitaovana nampiasana ary ny teoria.
fepetra fototra
- Manaja ny fiandrianan'ny foibem-pikarohana tsirairay, miaraka amin'ny mangarahara tanteraka,
- Olana siantifika tsara jery niainga avy amin'ny fanetsiketsehana siantifika niarahana
- Fifanarahana eo amin'ny faharetan'ny fikarohana, fijoroan'ny foibe tsirairay hanetsika ny olona sy ny fitaovana ilaina rehetra ao anatin'ny tontolon'ny asa mahomby sy maharitra,
- Famakiana ny fitokontokona ara-tsiansa sy ara-foibe hiasana, mba hamaly ny fanontaniana hapetraky ny fampandrosoana maharitra izay lalina tokoa
- Fanofanana lalimpaka ny tanora na avy any avaratra na avy any atsimo.
Inona moa ny atao hoe URP
- Drafitr'asa novolavolaina tao anatin'ny fiaraha-miasa,
- Vondron'asa iraisam-pirenena
- Rafitra fanarahamaso sy fitsarana ny asa matanjaka sy mangarahara, ary fijerena ny fihatraikan'ny fikarohana,
- Fanabeazana sy fampivelarana miaraka ny vokam-pikarohana.
Rafitra fitantanana
- Komity fitantanana iray mandray andraikitra sy mitandro ny fanajana tanteraka ny fepetra fototra
- Komity siantifika iray mahaleo tena tsy momba ny atsy tsy momba ny eroa
- Vondrona mpanetsiketsika sy mpandrindra iray, manamora ny fiaraha-miasa ary mandray andraikitra tanteraka eo anoloanan'ny Komity fitantanana amin'ireo asam-pikarohana sy asam-pandrosoana natao.
Fifanarahana
- Fifanarahana fametrahana ny vondrona fototra Oniversite - FOFIFA - Cirad, miantoka ny hevim-baventy napetraka
- Fifanarahana mirakitra ny fitsipi-dalao momba ny fanetsiketsehana, ny tompon'asa, ny fanarahamaso sy fitsarana ny asa, ny fanampariahana ny fitaovana enti-miasa ary ny faharetan'ny fiaraha-miasa